AFRICA ENERGY FORUM
Nahazo tohana i Madagasikara

Misokatra amin’ny mpiara-miombon’antoka izay liana hiara-hiasa sy ireo mpisehatra matihanina maneran-tany amin’ny sehatry ny angovo i Madagasikara.

Fototra iankinan’ny fampandrosoana eto Madagasikara ny sehatry ny angovo. Maro ny asa atao sy ny ezaka hovitaina. Izany indrindra no nahazoantsika fanasana ka nandray anjara tamin’ny hetsika ”AFRICA ENERGY FORUM 2024” (AEF) izay notanterahina tany Barcelone (Espagne) ny 25 hatramin’ny 28 Jona 2024 .

Zava-dehibe ho antsika ny nitondra ireo vina sy drafitra nandritra ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo mpisehatra maro. Tanjona ny hahafahana mahazo ny fahatokisan’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka isan-karazany ho fampiroboroboana indrindra ny sehatry ny angovo azo havaozina eto Madagasikara. Manan-danja ihany koa ny nahafahantsika Malagasy nanamafy ny fiaraha-miasa tamin’ireo orinasa vaventy misehatra amin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina eto Afrika.

Ny Talata 25 Jona 2024, dia nisy fivoriana niarahan’ireo Minisitra Afrikanina nasaina mahakasika ny tanjona, ny ho avy sy ny filana angovo eto Afrika. Nisy ihany koa ny fihaonan’ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo notarihin’Atoa Minisitra JEAN-BAPTISTE Olivier, tamin’ny solontena avy amin’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD) sy ny Banky Iraisam-pirenena. Nandritra izany no nanamafisan-dry zareo fa hanokana vola 30 milliards Dolara izy ireo mba hampisitraka herinaratra ho an’ny afrikanina miisa 300 tapitrisa amin’ny taona 2030.

Nanambara koa izy ireo fa voafidy ho anisan’ireo firenena 12 ho laharam-pahamehana ao anatin’ireo firenena 50 mahery eto Afrika i Madagasikara ka hahazo tohana manokana, ho fanatrarana ny tanjona fampisitrahana herinaratra ho an’ny mponina.

Mpisehatra maro no nandray anjara nandritra ity hetsika ity, anisany ireo mpamatsy vola toy ny Banky Iraisam-pirenena, ny BAD, sy ny avy amin’ny Firenena maro toa an’i Canada, Royaume Uni, Norvège, Etats-Unis ary ireo manam-pahaizana sy orinansa matihanina isan-tsokajiny.

Ho an’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo izay notarihin’Atoa Minisitra JEAN-BAPTISTE Olivier dia nandray anjara mavitrika ny Tale Jeneraly eto anivon’ny Ministera Atoa RAMIANDRASOA Sambatra sy ny Tale misahana ny “Emergence Energétique”, Rtoa RAZAFIMAHATRATRA Dina. Nisy ny fampisehoana manokana momba an’i Madagasikara (Country Spotlight) niarahan’ny Minisitry ny Harena An-kibon’ny Tany Atoa RAKOTOMALALA Olivier sy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier nampisehoana ny harena ankibon’ny tany izay azo trandrahana sy ny toerana hahafahana mamokatra angovo, indrindra ny azo havaozina eto Madagasikara.

Nandritra ny 4 andro dia nisesisesy ny fihaonana isan-karazany teo amin’ireo Minisitra Afrikanina, mpamatsy vola, mpitondra tohana ara-teknika sy ara-bola ary orinasa mpamokatra sy ry zareo tsy miankina (Tetikasa CGHV Volobe, Tetikasa NEHO Sahofika, mpisehatra amin’ny famokarana herinaratra avy amin’ny rivotra, ny masoandro, sns.). Hivadika ho asa izany hanamafisana ny ezaka efa nirosoana amin’ny fampisitrahana angovo ho an’ny mpiara-belona. Ny fisitrahana angovo dia zo fototra ary ezaka iaraha-manana, mametraka tanjona sy asa hotanterahana isaky ny Firenena.