
Nandray anjara tamin’ny fanaovana vaksiny faobe hiadiana sy hisorohana ny fihanaky ny valan’aretina lefakozatra (poliomyélite) ny teto amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’afo (MEH) notarihin’ny Minisitra Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA androany 31 jolay 2023, eto Ampandrianomby. Taorian’ny fananganan-tsaina, no nanaovan’ny mpiasan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny fanentanana sy ny antso ho an’ireo mpiasan’ny MEH.