Angovo ho an’ny daholobe
🌞 Fampidirana herinaratra amin’ny HMP Vohibato
✅️ Haravoana ny an’ny mponina eto amin’ny Kaominina Alakamisy Itenina, Distrika Vohibato. Tontosa androany 03 Jolay 2025 ny fitokanana ofisialy ny Hopitaly Manarapenitra (#HMP) eto an-toerana. Anjara biriky avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH) ny fampidirana herinaratra eto amin’ity toeram-pitsaboana lehibe ity.
⏹️ Toy izao ny mombamomba ny asa natao:
* Tirage de ligne MT 20kV à partir du Réseau MT JIRAMA d’Alakamisy Itenina
* Longueur de la ligne tirée : 800m soit 2500m de câbles utilisés
* Type de câble : 34.4mm² ALMELEC
* Nombre de poteaux MT : 16
* Transformateur installé : 20kV/B2 : 100 kVA = 1
* Avec IACM et disjoncteur B
✳️ Asa vita amin’ny alalan’ny Tetikasa #LEAD, izay tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena (#BanqueMondiale). Miisa 21 ireo HMP manerana ny Nosy hampidirana herinaratra, ankoatra an’ireo « Centre de Santé de Base » (#CSB) miisa 500 efa misitraka herinatra amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina.
➡️ Ankoatra izay dia efa anaty vina ny hampisitrahana herinaratra avy amin’ny masoandro ho an’ny CSB miisa 500 hafa manerana ny Nosy, amin’ny alalan’ny Tetikasa #DECIM.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *