
Nisy ihany koa ny fihaonana teo amin’Atoa MEH sy ireo manam-pahefana ao amin’ny Faritra Analanjirofo. Tanjona ny hitondra anjara biriky ho an’ny tsirairay manoloana ny adidy tokony ho tanterahina amin’ireo traboina. Nanatrika izany ny Solombavambahoaka, ny Governora mpisolo toerana, ny « Préfet », ny Ben’ny Tanàna, ny Tale eo anivon’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina, ny solontenan’ny Ministeran’ny Asa Vaventy, ny avy amin’ny BNGRC ary ny avy amin’ny Zandarimaria sy Polisim-pirenena.