Angovo azo havaozina
Nivoaka ny andiany « Miavotra »
✅️ 31 Jolay 2024 : Tontosa teto amin’ny ivontoerana « Barefoot College Madagascar » (BC Madagascar), Tsiafajavona Ambatolampy, ny lanonana famoahana ny andiany faha-7 misalotra ny anarana  » Miavotra ». Miisa 15 mirahavavy ireto vehivavy teknisianina amin’ny fikirakirana fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, na antsoina maneran-tany hoe : « Femmes Ingénieures Solaires » (FIS).
✳️ Tanjona ny fampisitrahana heninaratra ho an’ny daholobe, indrindra ny tontolo ambanivohitra, laharam-pahamehana ny tan-tsoroka sy fampivoarana ny vehivavy, ho fampandrosoana ny Firenena.
➡️ .Naharitra efatra (4) volana ny fiofanana. Izao dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana amin’ny sehatra tsy miankina na 3P. Mpiara-miombon’antoka ny « Barefoot College Madagascar » (BC Madagascar). Mpanohana ny WWF. Ireto vehivavy amin’ny andiany Mivoatra ireto, dia avy amin’ny Faritra maro manerana an’i Madagasikara, anisany DIANA (Andiko, Antsotsomo, Ankovana), ary Atsimo Andrefana (Besambay).
🟩 Vina ny hanatrarana 744 ny isan’ireo FIS tokony hivoaka avy eto Tsiafajavona hatramin’ ny taona 2030, izay afaka hampisitraka herinaratra avy amin’ny angovo madio ho an’ny tokantrano 630.000 isa eto Madagasikara. Tamin’ny taona 2012 no nivoaka ny andiany voalohany tany Inde, izay nanaovana ny fiofanana hatramin’ ny taona 2018.
🔷️ Tonga nanotrona ny lanonana famoahana azy 15 FIS ireto, ny lefitrin’ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambanivohitra Tsiafajavona, ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo, ny avy amin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-Tsosialy, ireo mpikambana eo anivon’ny Filan-kevim-pitantanana an’ny BC Madagascar, ary ny solontenan’ny mponina.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *