Fihaonana teo amin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo sy ireo Delegasionan’ny BAD
✅ Tonga nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana an’ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier teto Ampandrianomby androany 22 Febroary 2024, ny Delegasiona avy amin’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana na ny BAD, notarihin’ Atoa Farai KANONDA.
➡️ Nivoitra nandritra ny fihaonana ny dinika mahakasika ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Laharam-pahamehana ny fandrosoan’ny asa amin’ireo tetikasa izay vatsian’ny BAD vola toy ny PRIRTEM I sy II ary ny tetikasa Sahofika .

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *