Tetikasa PRIRTEM I
Fampahafantarana ho an’ny mponina eto Manazary sy Ambohibe
⭐ Andro lehibe ho an’i Manazary sy Ambohibe, momba ny tetikasa PRIRTEM I. Tontosa androany 19 Febroary 2024, ny fametahana ireo takela fampahafantarana ho an’ny mponina manodidina rehetra, momba ny asa fananganana « sous station » eto. Nitarika izany ny lehiben’ny Boriborintany, Atoa RAKOTOARIVELO Mamy Haja izay nisolo tena ny Lehiben’ny Distrika, ireo solontena avy eto amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), ny avy amin’ny PRIRTEM notarihin’Atoa mpandrindra ny Tetikasa, ny avy amin’ny JIRAMA, ary ireo tompon’ny tany voakasiky ny Tetikasa sy ny solontenan’ny vahoaka.
✅ Nisy ny fihainoana ireo hetahetan’ny mponina sy ny famaliana ireo fanontaniana napetrany. Marihina fa mbola hisy koa ny fanaovana fampahafantarana toy ny eto, hatao amin’ireo toerana hananganana « sous station » any Manjakandriana, Moramanga, Brickaville ary Toamasina.
➡️ Tsiahivina fa ny tetikasa PRIRTEM I dia hiompana amin’ny fampitohizana an’i Toamasina amin’Antananarivo, hananganana Tambazotra (mirefy 267 km) mitondra herinaratra mahery vaika hatramin’ny 220.000 V. Tanjona ny hanatsarana ny tambazotra mitondra herinaratra, sy ny hampitomboana ny isan’ny vahoaka misitraka izany.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *