105 MW-Ambohimanambola :
▶️ Tonga ao Toamasina ireo milina
✅ Tonga eto Toamasina ankehitriny ny entana nafarana. Tsy ho ela dia hakarina hihazo an’Antananarivo, ireo milina mpihary herinaratra miisa 7 ho an’ny fanitarana ny tobim-pamokarana herinaratra ao Ambohimanambola.
✳️ Tsiahivina fa manana tanjaka 15 MW isanisany izy ireo, ka hanome totaliny 105 MW. Tanjona ny hanampiana sy hanatsarana ny kalitaon’ny famatsiana herinaratra amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA).
🇲🇬 Famatsiam-bolan’ny Fitondram-panjakana Malagasy no hanatanterahana manontolo ny asa fananganana. Vinavinaina amin’ity taona ity ny fahavitan’ny asa araka ny voalazan’ny teknisianina.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *