𝗙𝗮𝗵𝗮𝘁𝗮𝗽𝗮𝗵𝗮𝗻-𝗷𝗶𝗿𝗼 𝗺𝗶𝗳𝗮𝗻𝗱𝗶𝗺𝗯𝘆
🚩 𝑻𝑶𝑵𝑮𝑨 𝑨𝑶 𝑻𝑶𝑨𝑴𝑨𝑺𝑰𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑺𝑶𝑳𝑰𝑲𝑨
🆕 Mody ventiny ny rano natsakaina. Niainga tao Toamasina ny hariva teo ireo kamiao lehibe mpitatitra solika hamokarana herinaratra ho an’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo. Mbola hisy hafa hanainga ihany koa rahampitso.
✅ Noho ireo dingana maromaro tsy maintsy arahina amin’ny fampidinana solika dia ny Alatsinainy izao no azo antoka fa hanomboka hihena ny fahatapahan-jiro mifandimby eto Antananarivo sy ny manodidina.
🌌 Hitohy andro sy alina ny fampiakarana ireo solika avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ka hahazo ny anjarany ihany koa ireo faritra toa an’i Mahajanga, Toliara ary Antsirabe.
🙏 Ankasitrahana ny Fitondram-panjakana izay soloin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’Afo tena, #MEH tsy nandry andro, tsy nandry alina tamin’ny fitadiavana vahaolana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *