๐๐๐ ๐๐ง๐ฆ๐๐๐ก๐ ๐๐๐ฅ๐๐ก๐๐ฅ๐๐ง๐ฅ๐ : ๐ ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ผ๐๐ผ ๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐บ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐ผ๐น๐ฎ๐ป’๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐ต๐ฎ๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ป’๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐บ๐ฎ๐๐๐ถ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐๐ผ๐น๐ถ๐ธ๐ฎ

Maromaro ireo faritra mampihatra ny fahatapahan-jiro mifandimby na ny ยซย dรฉlestageย ยป tato anatin’ny andro vitsivitsy izao, nohon’ny fahataran’ny famatsiana solika.

Voatery mitsitsy ny tahirin-tsolika eo am-pelatanana arak’izany ny orinasa
#JIRAMA mba ho fisorohana ny fahatapahan-jiro faobe.

Mikaon-doha andro sy alina ny mpitantana ny orinasa
#JIRAMA sy ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’Afo
#MEH mitady vahaolana mba hampihenana ny fahatapahan-jiro mifandimby.

Efa manomboka tonga any amin’ny faritra sasany amin’izao fotoana izao ny solika entina mampihodina ireo milina mpihary herinaratra. An-dalana kosa ny an’ireo izay somary lavidavitra sy saro-dalana.

Mbola misy anefa ireo izay tsy maintsy hampihatra ny fahatapahan-jiro mifandimby.

๐จ๐ ๐๐๐๐๐๐’๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐’๐๐๐๐๐ ๐๐:

Fanafainganana ny fametrahana ireo foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro miisa 37 amin’ny distrika 37 mba hialร na amin’ny fiankinan-doha amin’ny solika.

Fanafainganana ihany koa ny fametrahana foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro eto amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo ka isan’ny hanomboka atsy ho atsy ny 20MW ao Moramanga.