
๐ ๐ถ๐ฟ๐ผ๐๐ผ ๐ต๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ๐ป๐ ๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐ฎ๐ป๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐๐ฒ๐น๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ผ ๐ณ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ฟ๐ผ๐ฎ๐ป’๐ป๐ ๐๐ถ๐น๐ผ๐ต๐ฎ๐ปโ๐ป๐ ๐ฅ๐ฒ๐ฝ๐ผ๐ฏ๐น๐ถ๐ธ๐ฎ ๐๐ป๐ฑ๐ฟ๐ ๐ฅ๐๐๐ข๐๐๐๐ก๐. ๐ก๐ ๐๐ถ๐๐๐ฟ๐ถ๐ธ๐ฎ๐ป’๐๐บ๐ฏ๐ฎ๐ป๐ท๐ฎ ๐ป๐ผ ๐บ๐ถ๐๐ถ๐๐ฟ๐ฎ๐ธ๐ฎ ยซย ๐๐ป๐ด๐ผ๐๐ผ ๐ต๐ผ ๐ฎ๐ป’๐ป๐ ๐ฟ๐ฒ๐ต๐ฒ๐๐ฟ๐ฎย ยป ๐ฒ๐๐ผ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ป’๐ป๐ ๐๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ถ๐ฎ๐ป๐ฎ.
Ny zoma 17 marsa 2023 dia nisolotena ny fitondram-panjakana nametraka ny vato fototry ny ยซ CENTRALE DโHYBRIDATION ยป teto Ambanja izay iarahanโny Jirama aminโny orinasa First Energy ny ministry ny Angovo sy Akoranafo, Solo ANDRIAMANAMPISOA. Nanotronโireo olom-boafidy sy manam-pahefana ary olobe eto an-toerana ny lanonana.
Marihina fa nohonโny olana teo amin’ny tany sy toerana hanatanterahana ny fananganana no tsy nahavitanโny asa izay efa tokony nanomboka roa taona lasa izay. Ny fidinanโny Minisitra tompon’andraikitra ety hifotony no nahafahana namaha ny sakana ka manomboka ny asa ankehitriny. Hamokatra herinaratra hatraminโny 1.2 MW ity ยซ centrale dโhybridation ยป eto Ambanja ity ary ho vitaina alohanโny volana aogositra 2023 izao. Aorian’izay dia tsy hisy fahatapahana herinaratra intsony ny tanร nโAmbanja sy ny manondidina.

Tsy diso anjara fa notolorana jiro miisa 50 hanazavana ny elakelantrano ny distrikanโAmbanja ary mbola mitohy izany mandrapipakanโny havazana manerana ireo elakelantrano rehetra ato aminโny distrika.

Ny hariva dia tao aminโny distrikanโAmbilobe, Fokontany Anorognala, no natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny Tetikasa ยซย Hazavao ny Elakelantranoย ยป. Nanolotra jiro cobra 75 ny delegasiona nisolotena ny fitondram-panjakana hapetraka amin’ny elakelantrano ary mbola hisy ny andiany manaraka ho anโireo fokontany hafa eto Ambilobe.