𝗠𝗶𝗿𝗼𝘀𝗼 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘃𝗲𝗹𝗶𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗿𝗼𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗹𝗼𝗵𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗥𝗲𝗽𝗼𝗯𝗹𝗶𝗸𝗮 𝗔𝗻𝗱𝗿𝘆 𝗥𝗔𝗝𝗢𝗘𝗟𝗜𝗡𝗔. 𝗡𝘆 𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮𝗻’𝗔𝗺𝗯𝗮𝗻𝗷𝗮 𝗻𝗼 𝗺𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 « 𝗔𝗻𝗴𝗼𝘃𝗼 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗿𝗲𝗵𝗲𝘁𝗿𝗮 » 𝗲𝘁𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗗𝗶𝗮𝗻𝗮.Ny zoma 17 marsa 2023 dia nisolotena ny fitondram-panjakana nametraka ny vato fototry ny « CENTRALE D’HYBRIDATION » teto Ambanja izay iarahan’ny Jirama amin’ny orinasa First Energy ny ministry ny Angovo sy Akoranafo, Solo ANDRIAMANAMPISOA. Nanotron’ireo olom-boafidy sy manam-pahefana ary olobe eto an-toerana ny lanonana.
Marihina fa nohon’ny olana teo amin’ny tany sy toerana hanatanterahana ny fananganana no tsy nahavitan’ny asa izay efa tokony nanomboka roa taona lasa izay. Ny fidinan’ny Minisitra tompon’andraikitra ety hifotony no nahafahana namaha ny sakana ka manomboka ny asa ankehitriny. Hamokatra herinaratra hatramin’ny 1.2 MW ity « centrale d’hybridation » eto Ambanja ity ary ho vitaina alohan’ny volana aogositra 2023 izao. Aorian’izay dia tsy hisy fahatapahana herinaratra intsony ny tanàn’Ambanja sy ny manondidina.