
Tsy mitsahatra mitady vahaolana amin’ny fanatsarana sy ny fampitomboana ny famokarana herinaratra eto Madagasikara sy ny hanarenana ny orinasa Jirama ny Fitondram-panjakana ary anisan’izany ny fametrahana tetikasa avy amin’ny angovo azo havaozina tahaka ity ao Volobe ity hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Ny fametrahana tetikasa famokarana herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina sy lovain-jafy tahaka ity dia hampihena ny sandam-pamokarana herinaratra ka hampihena araka izany ihany koa ny vidin-jiro. Anisan’ny izany ny tetikasa Sahofika izay hananana tanjaka hatramin’ny 192MW, efa voasonia ary an-dalam-panamboarana ny tobim-pamokarana any Ranomafana manana tanjaka 64MW, eo ihany koa ny Mandraka 3 sy ny PRIRTEM 1 sy 2.
Nambaran’ny Filoham-pirenena ihany koa fa ny Fitondram-panjakana dia efa miroso amin’ny fametrahana ireo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro miisa 37 manerana ny Nosy toy ny any Anosibe an’ala, Amparafaravola, Andilamena, Tanambe, Iakora, Nosy Varika, Tsihombe, sns