
(Berlin Energy Transition Dialogue.23)
Naharesy lahatra ireo mpiara-miombonantoka ny dinika nataon’ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Solo ANDRIAMANAMPISOA, nandritra ny fifanakalozan-kevitra momba ny « BETD 23″natao tany Berlin, Allemagne ny 28 sy 29 marsa 2023.
Nosy midadasika i Madagasikara. Manana mponina 40 isaky ny km2. 33% ny tahan’ny fisitrahana angovo ary mbola mibahana (80%) ny fampiasana angovo tranainy avy amin’ny solika mavezatra sy gazoala. Ampahany amin’ny faritra ihany koa no vatsian’ny orinasam-panjakana (JIRAMA) herinaratra. Ireo toerana lavitry ny renivohitry ny faritra sy ambanivohitra dia vatsin’ny sehatra tsy miankina amin’ny alalan’ny ADER.
Tsy mipetra-potsiny ny fanjakana malagasy fa nanokana tetibola hananganana 37 « parcs solaires » mitotaly 50MW any amin’ireo toerana tsy misy JIRAMA. Nirosoana ny fampiasana ny angovo azo avaozina, avy amin’ny masoandro, rivotra, rano ka nosokafana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ahazoana famatsiana.
• Bank Mondial amin’ny alalan’ny projet DECIM, fanapariahana 1 tapitrisa « kits solaires », fametrahana « parcs solaires » miisa 32 amin’ny toerana tsy mahazo jirama.
• BAD amin’ny alalan’ny projet PRIRTEM, famerahana ireo tambazotra mampifandray ny faritra.
• PNUD, GIZ, AFD amin’ny alalan’ny fananganana ireo mini réseaux toy ny fametrahana « centrales solaires hybrides » amin’ny tobim-pahasalamana, CHU, ny toerana tsy mahazo JIRAMA.
• Fanohanana ara-teknika sy ara-bola amin’ny alalan’ny PPP (Partenariat Public Privé)
Mba ahafahana manatratra ireo tanjona ireo sy ny hahatratrarana 60% ny tahan’ny fisitrahana angovo hatramin’ny faran’ny taona 2025 dia manamafy ny antso amin’ny fisokafana amin’ireo mpiaramiombon’antoka sy mpamatsy vola ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo tany Berlin.