๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐’๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
๐ณ๐๐๐๐’๐ ๐ด๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
[๐ญ๐๐๐-21 ๐๐๐๐๐๐๐๐ 2024]

Nidina nijery ny fomba hanafainganana ny fitaterana sy fampiakarana any Antananarivo ny ยซย Groupeย ยป lehibe mahatratra 105 MW, izay efa eto amin’ny Seranan-tsambon’i Toamasina ny Praiminisitra, Lehibenโny Governemanta Ntsay Christian, androany. Nanotrona azy taty an-toerana ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, Andriamatoa Ramonjavelo Valรฉry, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Andriamatoa Jean-Baptiste Olivier, sy ny Minisitry ny Asa vaventy, Andriamatoa Rafidison Richard Thรฉodore. Miaraka amin’izy ireo amin’izany koa, ireo tompon’andraikitra sy teknisiana maro isan-tsokajiny voakasik’io asa io, sy ireo avy ao aminโny orinasa TRIGU, HFF, JIRAMA sy ny LNTPB, ary ny avy aminโireo tetikasa vatsianโny mpiara-miombonโantoka amintsika aminโny asa fikojakojana ny lalam-pirenena faharoa na ny RN2.


ยซย Tsy maintsy tadiavina ny vahaolana maika hampiakarana ireo fitaovana ireoย ยป, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Noho izany, dia tapaka fa hatomboka aminโny faha-2 desambra ho avy izao ny fitaterana ireo fitaovana sy kojakoja mankadiry handrafetana ny Groupe 105 MW ireo, ao Ambohimanambola, Antananarivo.

Taorian’ny fitsidihana nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian tao amin’ny Seranan-tsambo ny maraina teo, dia nirotsaka avy hatrany nanaraka ny RN2 ny tenany, nanao fanaraha-maso akaiky ny asa maika tsy maintsy atao, hanamafisana ireo tetezana miisa telo ambiny folo (13). Izany dia ahafahana miroso aingana amin’ny fitaterana ireo fitaovana sy kojakoja ireo.

Nandritra ny fitsidihana taty an-toerana dia nanome toromarika ny tompon’andraikitra voakasika rehetra ny Praiminisitra, amin’ny hanajana ny tetiandro voafaritra, ary hanara-maso ny fanatanterahana izany mihitsy ny tenany. Marihana fa izao dingana izao, no mitarika amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny famokarana herinaratra manerana ny Faritra eto Madagasikara, fa indrindra ny eo aminโny tambazotra IraisanโAntananarivo na RIA, araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, vao herinandro vitsivitsy lasa izay.

Nanararaotra ny fidinana taminโiny lalam-pirenena iny ny Praiministra, namantatra ny dingana fanombohana ny asa fikojakojana ny RN2. Misokajy ho ampahany roa lehibe ny asa. Ny orinasa CRCC no nahazo ny tsenam-barotra hanatanteraka ny fikojakojana ny tapany voalohany eo anelanelan’i Moramanga sy Toamasina. Ny tapany faharoa eo anelanelan’i Sambaina sy Moramanga kosa, dia ny orinasa CHEC no hanao azy.
๐ก๐ ๐ฆ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ