| ๐๐ถ๐๐๐ถ๐ฟ๐ถ๐ต๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ณ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ฟ๐ผ๐ฎ ๐๐๐-๐๐ฅ๐ (2รจme revue) : ๐ก๐ฎ๐ต๐ฎ๐๐ผ ๐ณ๐ฎ๐ป๐ธ๐ฎ๐๐ผ๐ฎ๐๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ฎ๐๐ ๐ต๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ๐ป๐ |
Antaninarenina,

faha 14 Aprily 2025


Nahazo fankatoavana (๐ฆ๐๐ฎ๐ณ๐ณ ๐๐ฒ๐๐ฒ๐น ๐๐ด๐ฟ๐ฒ๐ฒ๐บ๐ฒ๐ป๐) avy hatrany avy aminโny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) i Madagasikara taorinโizao iraka fitsirihana faharoa izao. Izany fanambarana izany dia niarahanโny ๐๐ช๐ฏ๐ช๐ด๐ช๐ต๐ณ๐บ ๐ฏ๐บ ๐๐ฐ๐ฆ๐ฌ๐ข๐ณ๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐๐ช๐ต๐ข๐ฏ๐ข๐ฏ๐ข๐ฎ-๐ฃ๐ฐ๐ญ๐ข, ny ๐๐ช๐ฏ๐ช๐ด๐ช๐ต๐ณ๐บ ๐ฏ๐บ ๐๐ฏ๐จ๐ฐ๐ท๐ฐ ๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐๐ฌ๐ฐ๐ณ๐ข๐ฏ๐ข๐ง๐ฐ, ny ๐๐ช๐ฏ๐ช๐ด๐ช๐ต๐ณ๐บ ๐ฏ๐บ ๐๐ฐ๐ฏ๐ต๐ฐ๐ญ๐ฐ ๐๐ข๐ช๐ฏ๐ข๐ฏ๐ข ๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐๐ข๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ฐ๐ด๐ฐ๐ข๐ฏ๐ข ๐๐ฐ๐ท๐ข๐ช๐ฏ๐ซ๐ข๐ง๐บ, ny ๐๐ฐ๐ท๐ฆ๐ณ๐ฏ๐ฐ๐ณ๐ข๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐๐ข๐ฏ๐ฌ๐บ ๐๐ฐ๐ช๐ฃ๐ฆ๐ฏโ๐ช ๐๐ข๐ฅ๐ข๐จ๐ข๐ด๐ช๐ฌ๐ข๐ณ๐ข ary ny ๐ญ๐ฆ๐ฉ๐ช๐ฃ๐ฆ๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ช๐ณ๐ข๐ฌ๐บ ๐ฏ๐บ ๐๐ข๐ฉ๐ช๐ณ๐ช๐ฎ-๐ฃ๐ฐ๐ญ๐ข ๐ช๐ณ๐ข๐ช๐ด๐ข๐ฎ-๐ฑ๐ช๐ณ๐ฆ๐ฏ๐ฆ๐ฏ๐ข.

Araka ny fanazavร na dia fanaraha-maso ireo maso-tsivana napetraka taminโny desambra 2024 no natao nandritra ity fotoana ity ka nahazoana io ๐ฆ๐๐ฎ๐ณ๐ณ ๐๐ฒ๐๐ฒ๐น ๐๐ด๐ฟ๐ฒ๐ฒ๐บ๐ฒ๐ป๐ io ary ny fandefasana ireo antontan-taratasy any aminโny filankevim-pitantananโny Tahirim-bola iraisam-pirenena sisa no andrasana.

Misy karazany telo ireo antotan-taratasy ireo ka isanโizany ny :

Sehatry ny angovo izay hiompananโny programa mahakasika ny Solika sy ny orinasa Jirama. Ho anโny Solika dia hisy ny famoahana didim-pajakana mamaritra indray ny vidin-tsolika mandritra ny enim-bolana manaraka.


Ho anโity faharoa kosa dia efa eo am-pandrafetana ny โplan de redressementโ โny orinasa Jirama ny tomponโandraikitra.

Sehatry ny tontolo iainana izay amoahana didim-panjakana


: (๐ฎ) fametrahana ny komity iraisanโireo minisitera rehetra mandrafitra ny governemanta, mombanโny tontolo iainana izay ho tarihanโAndriamatoa Praminisitra sy ny (๐ฏ) didim-panjakana MECIE.

Ankoatra izay dia hisy ihany koa ny fanavaozana ny โrรฉforme sur le marchรฉ carbone ยป izay ny taona 2021 no natao farany ary atolotra aminโity volana aprily ity ny didim-panjakana mametraka izany.

Fankasitrahanโny FMI ny fahazoana mametraka ny didim-panjakana mombanโny โdรฉpositaire centralโ izay fifanarahana eo aminโny Banky FoibenโI Madagasikara sy ny Minisiteranโny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Eo ihany koa ny fiezahanโny BFM mihazona ny sandam-bola na dia misy fiantraikany betsaka aza ny politika vaovaonโny Amerikanina aminโizao fotoana izao.

Marihana moa fa efa roa taona izao tsy nisy izao fankatoavana avy hatrany ny fitsirahana izao ka izao no porofo fa miara-miasa tsara ny fitondram-panjakana sy ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI).