Angovo azo havaozina
Vonona ny eto Talata Ampano
✳️ Ny fotoana sisa andrasana. Efa vonona avokoa ny mombamomba ny tany handraisana ny asa hananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro eto amin’ny Kaominina Ambanivohitra Talata Ampano, Distrika Vohibato Fianarantsoa.
✴️ Tonga nitsidika ny toerana androany 03 Jolay 2025 ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier niaraka tamin’ireo teknisianina eo anivon’ny #JIRAMA. Dinikasa momba ny lafiny teknika rehetra. Tanjona ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina, ny fanatsarana sy fampitomboana ny famokarana sy famatsiana herinaratra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *