Angovo azo havaozina

Vonona ny eto Talata Ampano

Ny fotoana sisa andrasana. Efa vonona avokoa ny mombamomba ny tany handraisana ny asa hananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro eto amin’ny Kaominina Ambanivohitra Talata Ampano, Distrika Vohibato Fianarantsoa.

Tonga nitsidika ny toerana androany 03 Jolay 2025 ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier niaraka tamin’ireo teknisianina eo anivon’ny
#JIRAMA. Dinikasa momba ny lafiny teknika rehetra. Tanjona ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina, ny fanatsarana sy fampitomboana ny famokarana sy famatsiana herinaratra.