Vahaolana hanampiana ny famokarana herinaratra
✅ Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Alarobia 2 Oktobra 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra , notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA , natrehin’Andriamatoa Praiminisitra NTSAY Christian, Lehiben’ny Governemanta sy ireo Minisitra isan-tokony .
➡️ Ho an’ny sehatry ny Angovo sy Akoranafo dia ireto manaraka ireto no nivoitra mikasika ny fanarahana ny tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika .
✳️ Niompana tamin’ireo vahaolana entina hamahana ny tsy fahampian’ny famokarana herinaratra ny Filan-kevitry ny Minisitra, tsy ny eto andrenivohitra ihany fa ny any ambanivohitra ihany koa .
❇️ Ho fanampiana ny famokaran’ny orinasa JIRAMA mivantana dia hapetraka ao Ambohimanambola ny famokarana herinaratra HFO, manana tanjaka 105 MW izay efa andalam-pananganana ankehitriny .
▶️ Ao anatin’ny fohy ezaka dia ireo ivon-toerana mpamokaratra herinaratra avy amin’ny masoandro no vahaolana haingana sy mahomby indrindra. Efa nifampiresahan’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny orinasa sinoa LONGI ny fiaraha-miasa amin’izy ireo hahafahana manangana ireo  »panneaux solaires’‘ eny amin’ireo renivohi-paritany izay hanana tanjaka mitotaly hatramin’ny 350 MW. Nojerena manokana ihany koa ny firosoan’ireo tetikasa famokarana herinaratra avy amin’ny rian-drano lehibe toy ny Mahavola 300 MW, Antetezambato 142 MW, Sahofika 192 MW, Volobe 120 MW, Mandraka III 6MW, Ambodiroka 56 MW, Ankelimahery 10,5 MW, Talaviana 56,6 MW.
📍 Nanainga ireo orinasa sy ireo nahazo ny tolo-bidy ny Filohan’ny Repoblika mba hanao ny ezaka rehetra hanatanterahana farany izay haingana ireo tetikasa ireo izay hamaha tanteraka ny olan’ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara. Efa misy ihany koa ny tetiandro hihaonan’ny Filohan’ny Repoblika amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo mpamatsy volan’ireo tetikasa ireo hijerena miaraka ny hanafainganana ny fanatanterahana azy ireo .
🟠Ny famokarana herinaratra avy amin’ny rian-drano nefa dia mifamatotra tanteraka amin’ny fiahiana ny tontolo iainana ka nanome toromarika manokana ny Filohan’ny Repoblika ny hanamafisana ny fanentanana momba ny fambolen-kazo indrindra manodidina an’Andekaleka izay mbola miantoka ny famatsiana herinaratra ho an’Antananarivo ankehitriny. Efa misy moa ny asa fiarovana ny ala manodidina an’Andekaleka izay tarihin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana nefa mila fiaraha-mientan’ny besinimaro ihany koa anefa izany .
📝 Nandritra ny fankatoavana ny didim-panjakana dia nolaniana ireto manaraka ireto :
◼️ Tombotsoan’ny besinimaro sy ny asa fanatanterahana ny tetikasa famokarana angovo avy amin’ny rian-drano Ranomafana 64 MW , avy amin’ny reniranon’Ikopa , Faritra Analamanga ary ny fahazoana amin’ny alalan’ny raharaham-pihavanana, na amin’ny fanesorana ny fizaka-manana ireo ampahan-tany voakasik’ity asa ity .
◼️ Tombontsoa iombonana ny asa fanatanterahana ny tetikasa famokarana angovo avy amin’ny rian-drano Volobe Amont 120 MW , ao amin’ny reniranon’Ivondro , Faritra Atsinanana , ary ny fahazoana amin’ny alalan’ny raharaham-pihavanana na amin’ny fanesorana fizaka-manana ireo ampahan-tany voakasik’ity tetikasa ity .

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *