
Nialoha ny fifanatrehana teo amin’ireo andrim-panjakana roa tonta, dia nanatanteraka ny tatitr’ireo asa marobe vitan’ny Governemanta ny Praiministra, Atoa NTSAY Christian. Novelabelarin’ny Lehiben’ny Governemanta nandritra ny 4 ora ny tatitry ny asa vitan’ireo Ministera tsirairay izay voarakitra tamina tahirinkevitra nahatratra 58 pejy.