Angovo azo havaozina
Tosika ho an’i Madagasikara ny AEF (Africa Energy Forum)

Mandroso hatrany isika mampiroborobo ny sehatry ny angovo azo havaozina eto Madagasikara.

Tsiahivina fa ny Fanjakana Malagasy amin’ ny alalan’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo (
#MEH) dia manana tanjona ny hampitombo avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030.

Miompana amin’ izany indrindra ny fivoriana sy fihaonana notanterahina nandritra ny 4 andro, tany Cape Town tao Afrika Atsimo, dia ny « Africa Energy Forum 2025 » (
#AEF2025). Nandray anjara feno ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier sy ny Tale Jeneraly Atoa RAMIANDRASOA Sambatra.

Ny 18 Jona 2025, dia nisongadina tamin’ny fihaonana, ny Fandaharanasa fampisitrahana angovo ho an’ny mponina miisa 300 tapitrisa aty Afrika, (
#M300). Ny Fanjakana Malagasy dia manana ny « Pacte Energetique de Madagascar » (
#PEM), izay mifandraika amin’ny vinan’asan’ny M300. Fanoitra goavana hanatrarana ny tanjona, ny firosoana lalina amin’ny fampiasana angovo azo havaozina, ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina, ny fanatsarana ny fitantanana ny sehatra ny angovo, ny fanarenana ny orinasam-panjakana, ny fandrahoan-tsakafo amin’ny fomba madio.
Tosika ho antsika ny nandraisana anjara tamin’ny AEF.

Tarigetran’ny fihaonana ny :
– Famelabelaran-kevitra sy fivoriambe momba ny sehatry ny angovo azo havaozina, toy ny fanafangainana ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny rano aty Afrika
– Fifanakalozan-kevitra amin’ireo orinasa tsy miankina sy mpisehatra amin’ny angovo azo havaozina, hisian’ny fiaraha-miasa, ohatra ny orinasa mpanangana tobim-tobim-pamokarana herinaratra : CHINA ENERGY, SCATEC, HUAWEI, JINKO Solar, sns
– Fihaonana amin’ny mpamatsy vola toy ireo solontena isan-tsokajiny avy amin’ireo Banky isan-karazany misahana fampandrosoana, ireo mpiara-miombon’antoka amin’ireo tetikasa eto Madagasikara, ireo sampana ao anatin’ny Firenena Mikambana, misehatra amin’ny angovo azo havaozina : IFC/Banque Mondiale momba ny famokarana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra
– Fivoriana manokana niaraka amin’ireo naneho ny fahavononana hamatsy sy hanosika ny tetikasa
#SAHOFIKA (200MW).