Angovo azo havaozina
Tosika ho an’i Madagasikara ny AEF (Africa Energy Forum)
Miompana amin’ izany indrindra ny fivoriana sy fihaonana notanterahina nandritra ny 4 andro, tany Cape Town tao Afrika Atsimo, dia ny « Africa Energy Forum 2025 » (#AEF2025). Nandray anjara feno ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier sy ny Tale Jeneraly Atoa RAMIANDRASOA Sambatra.Tosika ho antsika ny nandraisana anjara tamin’ny AEF.
– Famelabelaran-kevitra sy fivoriambe momba ny sehatry ny angovo azo havaozina, toy ny fanafangainana ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny rano aty Afrika
– Fifanakalozan-kevitra amin’ireo orinasa tsy miankina sy mpisehatra amin’ny angovo azo havaozina, hisian’ny fiaraha-miasa, ohatra ny orinasa mpanangana tobim-tobim-pamokarana herinaratra : CHINA ENERGY, SCATEC, HUAWEI, JINKO Solar, sns
– Fihaonana amin’ny mpamatsy vola toy ireo solontena isan-tsokajiny avy amin’ireo Banky isan-karazany misahana fampandrosoana, ireo mpiara-miombon’antoka amin’ireo tetikasa eto Madagasikara, ireo sampana ao anatin’ny Firenena Mikambana, misehatra amin’ny angovo azo havaozina : IFC/Banque Mondiale momba ny famokarana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra
– Fivoriana manokana niaraka amin’ireo naneho ny fahavononana hamatsy sy hanosika ny tetikasa #SAHOFIKA (200MW).