Toliara – Faritra Atsimo Andrefana

22–27 aprily 2025

Nanatanteraka iraka manokana tany Toliara Ny MEH, ny ADER, ny avy amin’ny Tetikasa LEAD ho fametrahana sy fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny solon-tena vaovao ho an’ny ADER ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, Andriamatoa Adin FARENAKO, ary koa fampahafantarana ireo tetik’asa, hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fampidirina herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra sy ireo tomponandraikim-panjakana isan-tokony.

Nisy ny atrikasa natao anio 25 aprily, ka nandritra izany no nanehoana mazava ny paikady sy vina ijoroan’ny ADER amin’ny fametrahana herinaratra maharitra sy takatry ny rehetra ho an’ny mponina ambanivohitra. Ity hetsika ity dia natrehin’ireo manam-pahefana sy mpiara-miombon’antoka ara-teknika rehetra tany an-toerana.

Ny tanjona dia :

Fanohanana ny fidirana amin’ny herinaratra amin’ny vidiny mirary,

Fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina,

Fampandehanana sy fampahombiazana ny asa ifotony ataon’ny ADER miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy aty amin’ny faritra.

Mankasitraka ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ity dingana iray lehibe ho amin’ny famatsiana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra ity!