simba69


simba69 daftar


simba69 login


simba69 alternatif

Angovo azo havaozina
Tetikasa fanomezan-danja sy famadihana ny fako eto Antananarivo
✅Notanterahina androany 18 Jolay 2024 ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny Tetikasa fanomezan-danja ny fako mitoby eto Andralanitra (Valorisation et recyclage des déchets solides municipaux de la Commune Urbaine d’Antananarivo).
🟩 Fako 400.000 taonina isan-taona no mitoby eto, izay misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana satria ny « Méthane » vokatry ny fako dia manimba ny natiora. Hitombo hatrany nefa izany manoloana ny fitombon’ny isan’ny mponina sy ny filàna eto Antananarivo.
▶Fiaraha-miasan’ny vondron’orinasa Apis Solutions, ny Kaominina Andrenivohitra Antananarivo (CUA), ny « Société Municipale d’Assainnissement » (SMA), ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy (MEDD), ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana (MID) ary ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina, no enti-manatanteraka ny Tetikasa .
✳ Ho an’ny sehatry ny angovo manokana dia ho tombony avy amin’izao Tetikasa fanodinana ny fako eto an-toerana izao, ny hamokarana « Biométhane », izay azo ampiasaina ho angovo ho an’ny orinasa na koa amin’ny fahandroana sakafo avy amin’ny angovo madio (cuisson propre).
Ity Tetikasa ity koa dia hamokatra zezika « compost » (Engrais biologique) azo ampiasaina amin’ny fambolena, ka mahasolo ny “engrais chimique” mahazatra.
🔲 Nanambara ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier fa izao no tanteraka dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana Malagasy sy ny sehatra tsy miankina (3P), ary tanjona azo eritreretina koa ny fomba hamadihana ireo fako ho herinaratra.
🟫 Marihina fa afaka herinandro vitsy dia hanomboka ny asa fananganana ny toby voalohany fanodinana ny fako eto, ary ny volana Jolay 2025 no hanomboka hiodina ka hamokatra ilay “Biométhane”.