
Fanentanana sy fandalinana momba ny DREI – Tetikasa Africa Minigrids (AMP)

Ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo (
#MEH), niaraka tamin’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (
#PNUD), dia nanatanteraka atrikasa fanentanana, androany 15 Avrily 2025 teto amin’ny Hôtel Ibis Ankorondrano, sy fandalinana momba ny « Derisking Renewable Energy Investment » (
#DREI), ao anatin’ny Tetikasa Africa Minigrids (
#AMP). Ny DREI dia fomba fandalinana sy paikady natao hanampiana amin’ny fanesorana na fanamaivanana ireo karazana sedra na olana mety hanakana ny fampiasam-bola amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina, amin’ny famokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro, rivotra, rano.

Ity atrikasa ity dia nampivondrona ireo mpisehatra fototra eo amin’ny sehatry ny angovo eto Madagasikara.

Tanjona ny fampahafantarana sy fanentanana ireo mpandray anjara amin’ny maha-zava-dehibe ny fanesorana sy fanamaivanana ireo sakana amin’ny famatsiam-bola amin’ny fananganana tambazotra tobim-pamokarana madinika (mini-réseaux solaires photovoltaïques) miaraka amin’ny vatoaratra (batterie), indrindra fa amin’ny sehatry ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra.

Voaresaka ny fomba fiasa hanampiana ny Fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ny famantarana sy fandrosoana amin’ireo fepetra manamaivana ny sakana na olana, mba hanintonana ny fampiasam-bola avy amin’ny sehatra tsy miankina.

Voadinika manokana ireo karazana sakana lehibe toy ny :
• Ara-politika sy araky ny lalàna (tsy fahampian’ny politika mazava, tsy fahamarinan-toerana ara-pitantanana),
• Ara-teknika (fahavoazana ara-pitaovana, fahaiza-manao voafetra),
• Ara-bola sy ara-barotra (tsy fahampian’ny famatsiam-bola, tsy fahazoan’ny olom-pirenena mandoa sarany maharitra).

Noho izany dia nivoitra ny soso-kevitra mazava entina hanohanana ny fananganana tambazotra madinika (minigrids) manaraka ny fenitra maharitra sy mirindra amin’ny tontolo iainana, ary indrindra manome vahaolana amin’ny tsy fahampian’ny herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra.

Amin’ny ankapobeny, ity atrikasa ity dia maneho dingana iray manan-danja amin’ny ezaka iraisana ataon’ny Fitondrana Malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka ary ny sehatra tsy miankina, amin’ny fanatrarana ny tanjona fampandrosoana maharitra sy famatsiana angovo madio ho an’ny rehetra.

Nanokatra ny atrikasa androany ny Tale misahana ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra (
#DAER) eto anivon’ny MEH, Rtoa DIEUDONNE Soatsara Virgiana Dalia, notronin’ny Tale misahana ny fampiroboroboana ireo tetikasa amin’ny angovo (
#DEE) Rtoa RAZAFIMAHATRATRA Dina Anjaranianina, sy ireo solontena avy ao amin’ny Sampandraharaha misahana ny fampiroboroboana ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra (
#ADER).