🇲🇬 𝗙𝗜𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔-𝗠𝗜𝗔𝗦𝗔 🇨🇳
𝑯𝒂𝒎𝒆𝒕𝒓𝒂𝒌𝒂 𝒕𝒐𝒃𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒎𝒐𝒌𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒉𝒆𝒓𝒊𝒏𝒂𝒓𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒂𝒛𝒐 𝒂𝒗𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒓𝒊𝒂𝒏-𝒅𝒓𝒂𝒏𝒐 𝒆𝒏𝒚 𝑹𝒂𝒏𝒐𝒎𝒂𝒇𝒂𝒏𝒂 𝒊 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂 𝒔𝒚 𝑺𝒊𝒏𝒂
🆕 Tontosa ny maraina teo teny amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny, Anosy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny fanjakana Malagasy sy ny Repoblika entim-bahoakan’i Sina.
📌 Fifanarahana izay miompana amin’ny fametrahana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny rian-drano, manana tanjaka 64MW avy amin’ny ranon’Ikopa, eny Ranomafana, lalam-pirenena faha-IV. Fotodrafitr’asan’ny Malagasy madiodio ity ho apetraka ity.
🗓️ Vinavinaina ho vita afaka telo taona ity fotodrafitr’asa ity, izay hamatsy herinaratra ny Tambazotram-pifandraisan’Antananarivo na ny Réseau Interconnecté d’Antananarivo (RIA), araka ny nambaran’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’Afo #MEH Solo Andriamanampisoa.
✅ Izao fotodrafitr’asa izao dia tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana ny Velirano faha-2 an’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Tanjona ihany koa ny hampihenana ny masonkarenan’ny famokarana herinaratry ny #JIRAMA.
🔜Azo antoka ny hahafeno ny vokatra herinaratra vatsiana eto amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo aorian’ny fahavitan’izao fotodrafitr’asa izao.
ℹ️Ankoatra ity fotodrafitr’asa ity dia anatin’ny vinan’asa fanarenana ny orinasa #JIRAMA ihany koa ny fanitarana ny tobim-pamokarana herinaratra ao Mandraka 6MW fanampiny, mandroso ihany koa ny asa fametrahana toby famokarana herinaratra manana tanjaka 105MW ao Ambohimanambola izay andrasana ho vitaina amin’ity taona ity. Manampy izany ireo tetik’asa fanatsarana ny tambazotra mpitsinjara herinaratra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *