SADC
Hampiroborobo ny sehatry ny angovo azo havaozina eto Madagasikara
✳️ Nisokatra androany 29 jolay 2025 eto amin’ny « Novotel » Alarobia, ny andiany faha-8 amin’ny herinandron’ny fampiroboroboana ny Indostria amin’ireo Firenena mpikambana amin’ny SADC (Semaine de l’Industrialisation de la SADC). Hetsika teo ambany fiahian’Andriamatoa Filohan’ny Repoblikan’i MadagasiAndry Rajoelinananana, izay Filoha vaovaon’ny #SADC amin’ny volana Aogositra ho avy izao.
👉🏽 Mpizaika miisa hatramin’ny 500 no mandray anjara. Tarigetra sy filamatra ny « fampiroboroboana ny Indostria, ny fampivoarana ara-pambolena, ary ny fampiasana ny angovo azo havaozina, hampatanjaka ny SADC ».
🟩 Ho an’ny sehatry ny angovo, dia nisy androany ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa anaty IGMOA « Intergouvernemental Memorandum of Agreement » (#IGMOA), manamarika ny fidiran’i Madagasikara ho mpikambana ao amin’ny Sampan’ny SADC misahana ny Angovo azo Havaozina sy ny Fanjariana amin’ny Angovo na « Centre de la SADC pour les Energies Renouvelables et l’Efficacité Energetique » (#SACREEE). Maro ireo Firenena no efa nanao sonia izany, ka androany no nanatontosana ny fidiran’i Madagasikara.
❇️ Nitondra ny antontan-taratasy nosoniavin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, ny Delegasiona avy amin’ny SADC notarihin’ny « Deputy Executive Secretary », Rtoa Angele MAKOMBO N’TUMBA.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *