💡 Angovo ho an’ny daholobe

🟩 Miroso hatrany isika amin’ny angovo azo havaozina

 

Anjaran’i Toliara no nanatontosana ny fidinana ifotony, notarihin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH), Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, nialoha ny faran’ny herinandro lasa teo.

 

🌞 Anisan’ny nisongadina teto Toliara I, ny fitsidihana ny toerana hananganana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro eto Andranomena hanana tanjaka 2,5 MW, izay tafiditra ao anaty « Tetikasa 50MW », ary tafiditra ihany koa anaty « Projet Nouvelle ville Andranomena ». Tanjona ny hanatsara ny famatsiana herinaratra amin’ny alalan’ny fampiasana angovo madio sy maharitra, ary hampihenana ny fiankinan-doha amin’ny solika amin’ny famokarana herinaratra.

 

✳️ Nojerena manaraka ny Foiben’ny orinasa #JIRAMA teto Andranomena ary notohizana tao amin’ny Logistique Pétrolière SA (#LPSA) Port Mahavatsy I Toliara I, izay misahana ny sehatry ny solika eto Toliara. Nandritra ny fitsidihana, dia nisy ny fanazavana nataon’ny tompon’andraikitra ao amin’ny LPSA momba ny asan’ny orinasa, ny rafitra misy, ary ny fomba fitantanana. Nampiseho ireo fitaovana sy teknolojia ampiasaina amin’ny fitantanana ny solika ihany koa izy ireo. Nojerena ihany koa ny tetikasa vinavinaina momba ny hametrahana fitahirizana menaka mavesatra (Fuel Lourd).

 

✴️ Teo ihany koa ny fitsidihana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro izay sahanin’ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina : ny an’ny #ENELEC sy ny an’ny #ANKA. Ireo dia porofo amin’ny firoboroboan’ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana amin’ny sehatra tsy miankina (#3P), indrindra ny tontolo ambanivohitra.

 

✳️ Izany rehetra izany dia nofaranana tamin’ny fitokanana ara-pomba ofisialy ny tobim-pitsaboana, CSB II, eto amin’ny Fokontany Benetse Distrika Toliara II, Kaominina Ankilimalinika. Nitarika izany ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, notronin’ny Minisitry ny Rano, ny Fidiovana sy ny Fahadiovana, Atoa ANDRIANAMELASOA Lalaina, ary niarahana tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny avy eto an-toerana.

 

❇️ CSB miisa 500 manerana ny Nosy no notolorana herinaratra avy amin’ny tobim-pamokarana mandeha amin’ny masoandro, ka anisany ny eto Benetse. Izany dia asa tontosaina ao anaty « Tetikasa #LEAD » izay tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena. Manan-danja amin’ny fampandrosoana, indrindra amin’ny faritra lavitra sy marefo ary ho fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka.

 

➡️ Tsiahivina hatrany, fa tanjona lehibe indrindra ny hampitombo avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara amin’ny taona 2030.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *