Anisan’ny fepetra niarahana nanaiky eo amin’ny Governemanta Malagasy sy ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) ny fanarahana ny fiovaovan’ny vidin-tsolika hifanahantsahana amin’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Mila mizatra an’io fanitsiana sy fiovaovana io isika eto Madagasikara.
Manodidina ny 90 Miliara Ariary, ohatra fotsiny, no niala tamin’ny kitapom-bolam-panjakana noho ny fanampiana (subvention) eo vidin’ny solika fandrehitra (pétrole lampant) tamin’ny taona 2024 lasa teo.
Ny Fitondram-panjakana Malagasy, ao anaty andry (piliers) miisa 3, mitondra ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (Politique Générale de l’Etat) na PGE dia mametraka ho laharam-pahamehana ny maha-olona.
Ho fitsinjovana ireo sokajin’olom-pirenena tena marefo, dia misy ny tohana omen’ny Fanjakana hanalefahana ny fiantraikan’io fiovaovan’ny vidin-tsolika io.
Ho fitsinjovana ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy dia noferan’ny Fanjakana ho 200 Ariary (mety latsaka ary, sady tsy mihoatra an’io) ny fiakarany na ny fidinany rehefa tojo izay.
Ny fiovaovan’ny vidin-tsolika dia tsy midika hoe fiakarany foana, fa toy ny niainantsika tamin’ny volana Janoary ohatra, dia nidina ny vidin-tsolika ankoatran’ny an’ny solika fandrehitra izay tsy nihetsika ny vidiny, ary tamin’ny volana Febroary teo dia nidina ihany koa ny vidin’ny lasantsy ( supercarburant).
Tsara marihina fa 30 andro hatramin’ny 40 andro ny faharetan’ny fitaterana amin’ny sambo, ny solika hafarana mandra-pahatongavany eto amintsika. Ny fiovaovan’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena dia manaraka izay sandany mialoha ny daty nanafarana, sy niondranan’ny solika an-tsambo.
Fepetra nifanarahantsika Malagasy amin’ny #FMI, ho fahazoana ny « Facilité Elargie de Crédit » na #FEC sy ny « Fonds pour la Résilience et la Durabilité » na #FRD.
Vao tamin’ny herinandro no nambara ofisialy ny fanapahan-kevitra avy amin’ny FMI ka, nahazoana vola mitentina 103 tapitrisa Dolara, hanohanana ireo tetikasa Fampandrosoana an’i Masagasikara. Anisany misitraka an’io fanohanana ara-tetibola io (aide budgétaire) ny sehatry ny angovo akoranafo.