👨‍💼 Fampitàna vaovao momba ny fivoriana mahakasika ny fandrafetana ny :

politikam-panjakàna eo amin’ny sehatry ny solika anava

✅ volavolan-dàlana hanavaozana ny fitsipika mifehy ireo toeram-pivarotan-tsolika

Tontosa ny talata 22 aprily 2025 tao amin’ny « Amphi Lacroix Ampandrianomby » ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny OMH (Office Malgache des Hydrocarbures), ny Ministera mpiahy ary ireo orinasa misehatra amin’ny solika (mpaninjara solika, mpanoby solika, sns).

Ireo hevi-dehibe nodinihina tamin’izany fifampiresahina izany dia niompanana amin’ireto teboka manaraka ireto :

📜 Fandraisana ireo fanehoan-kevitra momba ny fandrafetana ny politika mikasika ny solika anava (Lettre de politique de l’aval pétrolier)

⚖️ Fandraisana ireo fanamarihana sy ireo soso-kevitra fanatsarana ny volavolan-dalàna hanamafisana sy hanavaozana ireo fitsipika mifehy ny fanamboarana sy ny fiasan’ireo toby mpaninjara solika

🤝 fifanakalozan-kevitra miabo, fifampiresahana misokatra, ary fiaraha-miasa ho amin’ny fanatsarana ny sehatry ny solika eto Madagasikara

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *