« Ny ala, antoky ny rano sy ny angovo »
🟩 Himasoana ny angovo azo havaozina
✅ Filamatra goavana ary mamehy tanteraka ny asa. Tontosa ny 28 Marsa 2025 teto amin’ny Fokontany Ambohidrano Atsimo, Kaominina Behenjy, Distrika Ambatolampy, ny fambolen-kazo nataon’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH).
✳️ « Ny ala, antoky ny rano sy ny angovo » 💦💧. Io no teny faneva, nentin’ny Fianakaviamben’ny MEH sy ireo Rantsamangaika (#OMH, #JIRAMA, #ADER, #ORE), notronin’ireo mpiara-miombon’antoka ary solontena avy amin’ny sehatra tsy miankina, nanatontosa ny adidy amin’ny Firenena. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatanterahana ny vinan’ny Fitondram-panjakana ho famerenana ho maitso indray an’i Madagasikara.
🌱 Zana-kazo isan-karazany miisa 3000 no novolena tamin’ny velaran-tany 3,5 Ha, toerana izay natolotry ny Vondrona GAMO/MADO.
❇️ Ho fanatrarana ny tanjona : fampitomboana avo roa heny ny tahan’ny ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030, dia himasoana ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina. Anisan’ireo akora fototra sy ananantsika betsaka ny rano. Adidin’ny olom-pirenena tsirairay avy, ny mitandro ny tontolo iainana. Voalohany amin’izany ny ala, izay miantoka ny fisian’ny rano, araka ny lahateny nataon’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier.
🌞 Marihina fa mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatry ny herinaratra ny Distrikan’Ambatolampy satria dia eto no ahitana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, lehibe indrindra eto amin’ny Nosy.
🤝🏼 Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy teto amin’ny Distrika Ambatolampy, ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ambanivohitra Behenjy, ny Filoha Tale Jeneralin’ny Vondrona GAMO/MADO, ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ireo Rantsamangaika amin’ny MEH, ary ireo solontenan’ny mpiara-miombon’antoka sy ny sehatra tsy miankina.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *