Hazavana ho an’ny daholobe
Notolorana jiro ny eto Sambava
✅️ Anjaran’ny eto Sambava indray no notolorana Jiro « Cobra » avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH), androany 22 Marsa 2025. Nandray izany ny Ben’ny Tanàna eto Sambava, Atoa RAMANGALAZA Judicaēl , natrehin’ireo Minisitra sasantsasany eo anivon’ny Governemanta ary ny Solombavambahoaka voafidy eto an-toerana.
▶️ Jiro Cobra miisa 35 no natolotra ho an’ny eto Sambava ary miisa 10 ho an’ny Kaominina Ambanivohitra Ampanefena.
✳️ Tanjona ny fanatsarana ny endriky ny tanàna, sy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, amin’ny alalan’ny fanazavana ny lalambe sy ny elakelantrano.
✴️ Asa tafiditra ao anaty fanatrarana ny tanjona fampitomboana avo roa heny, ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030.
➡️ Nisolo tena an’Atoa Minisitry Angovo sy ny Akoranafo nandritra ny fanolorana ny jiro, ny Minisitry ny varotra RALAMBOFIRINGA David Herizo ,ary ny Tale Kabinetra eto anivon’ny Ministera, Atoa RANDRIANAINA Odon Marius.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *