Hazavana ho an’ny daholobe
Notolorana jiro ny eto Atsimondrano
✅️Tonga eto Atsimondrano ny hazavana. Ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE) dia niroso tamin’ny fampisitrahana jiro  »Cobra », hanazavana ny elakelantrano sy ny lalambe, ny teto amin’ny Distrikan’ Antananarivo Atsimondrano ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo (#MEH) , izay notarihin’ Atoa Minisitra JEAN -BAPTISTE Olivier .
✳️ Jiro Cobra miisa 50 no natolotra teto amin’ny Biraon’ny Kaominina Itaosy , androany 15 Marsa 2025.
✴️ Ireo jiro ireo dia hapetraka manerana ny Fokontany eto amin’ny Kaominina Atsimondrano, singanina manokana ny eto Itaosy .
🟩 Misokatra ho an’ny sampandraharaha rehetra ny tetikasa  » Hazavana ho an’ny daholobe « . Anisan’ireo efa nahazo ny anjarany ohatra , ny eny anivon’ny sampana miandraikitra ny filaminambahoaka , ny eny anivon’ny fitsarana (fonja) , ny sehatry ny fahasalamana , sy ireo maro hafa .
▶️ Haravoana no nandraisan’ireo manam-pahefana tonga nanatrika ity fanolorana jiro ity, anisany ny Minisitry ny Fitsarana Atoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis , ny Minisitry ny Filaminambahoaka Atoa IGP RAKOTOARIMANANA Herilala , ary ny Minisitry ny Harena Ankibon’ny tany Atoa RAKOTOMALALA Herindrainy Olivier .
⏹️ Nandray ireto jiro ireto ny Solombavambahoaka voafidy teto Atsimondrano, Atoa RATSIVAHINY Andry .
🔆 Izao dia fandraisana anjara goavana amin’ny ady amin’ny tsy fahandriampahalemana, no tafiditra ihany koa amin’ny fampitomboana ny tahan’ny vahoaka misitraka hazavana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *