Ela no niandrasan’ny mponina Ambodimangasoa ny fahazavana. Tonga izany ankehitriny. Anjaran’ity Fokontany eto Dzamandzar Nosy Be, no nanatanterahana ny fampisitrahana herinaratra, amin’ny alalan’ny tetikasa « Hazavao ny elakelan-trano « .
#️⃣ Jiro « cobra » miisa 20 no voapetaka sy nanolorana ny hazavana ny 23 Mey 2025. Hafaliana ny an’ireo mponina, nisaotra ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH), miaraka amin’ny #JIRAMA.
Nomarihin’ Atoa Minisitra, JEAN-BAPTISTE Olivier, nandritra ny lahateniny fa « tsy hisy Distrika, Kaominina, Fokontany hadino amin’ny fampisitrahana ny herinaratra, araka ny vinan’Atoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andry RAJOELINA ».