
Ao anatin’ny ezaka ataon’ny JIRAMA amin’ny fampisitrahana herinaratra ny rehetra ny fanitarana ny tambazotra mpitsinjara herinaratra. Nohon’ny fanohanan’ny Banky Iraisampirenena, amin’ny alalan’ny tetik’asa LEAD (Least-coast Electricity Access Development), dia isan’ireo nisitraka izany ny fokontany Antsikafoka, Sahorana ary Ampasipotsy izay samy ao Fenoarivo Antsinanana. Ireto toerana ireto izay mbola tsy nifandray tamin’ny tambazotran’ny JIRAMA.
Efa tonga any an-toerana ny herinaratra: andrin-jiro miisa 162 no natsatoka, 3.768km ny zotra BT, 7.99km ny MT ary vata mpanova herinaratra miisa telo izay manana tanjaka 370kva.
Anatin’ny fanentanana ny mponina hametraka ireo antotan-taratasy fangatahana fampidirana jiro izahay amin’izao fotoana izao. Hitohy any amin’ny faritra hafa ny tetik’asa fanitarana ny tambazotra.