Hazavana ho an’ny daholobe
Fanolorana jiro ho an’ny Boriborintany faha-IV

Jiro « Cobra », miisa 30 no natolotra avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (
#MEH), androany 12 Febroary 2025 teto Anosibe. Nandray izany ny Solombavambahoaka voafidy eto amin’ny Boriborintany faha-IV, Atoa RAFIDIMANANA Désiré. Fokontany miisa 7 no ho tsinjaraina ireo jiro : Anosizato Est II, Ampangabe Anjanakinifolo, Anosipatrana Ouest, Anosibe II, Anosibe I, Mandrangobato II, Volaniray. Hiampy 70 isa ireo jiro mialoha ny 26 Jiona 2025.

Nitarika ny Delegasiona avy amin’ny MEH, ny Talen’ny Kabinetra, Atoa RANDRIANAINA Odon Marius. Izao dia tafiditra anatin’ny ezaka fampisitrahana herinaratra ny Distrika rehetra manerana ny Nosy, ho fanatrarana ny tanjona fampitomboana avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030.

Taorian’ny fanolorana tao Toamasina, dia nitohy eto Antananarivo indray ny tetikasa fanazavana ny elakelantrano sy ny lalambe. Fandraisana anjara lehibe amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny fahatongavan’ireto jiro ireto. Hitohy amin’ny toerana maro hafa ny fizaràna hazavana.