
Ny androany 3 Septambra, dia nisy ny fihaonana manokana teo amin’ny Delegasionan’ny MEH sy ny
#SEFORALL notarihin’ny Tale Jeneraliny, Rtoa Damilola OGUNBIYI. Izy koa dia solontena maharitra misahana ny angovo eo anivon’ny Firenena Mikambana (
#ONU). Lahadinika ny fandraisana anjaran’ny SEFORALL amin’ny fampandrosoana ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra, amin’ny alalan’ny « Mission
#M300« . Teo koa ny firesahana ny hikarakarana fihaonana hiompana amin’ny fifanakalozana sy fandraisana ohatra tsara any amin’ny firenena hafa toa an’i Nigeria. Voaresaka koa ny fanamafisana traikefa sy fahaiza-manao ho an’ireo teknisianina amin’ny sehatry ny angovo eto Madagasikara, anisany ny eto anivon’ny MEH. Hifarana rahampitso ity fihaonana andiany faha-7 ataon’ny Komitim-paritry Afrika an’ny ISA ity.