Angovo azo havaozina
🌞Fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny « International Solar Alliance » (ISA)
✳️ Nisokatra ny 2 Septambra 2025, teto amin’ny « Labadi Beach Hotel », Accra – Ghana, ny fihaonana faha-7 eo amin’ny Komitim-paritry ny « International Solar Alliance » (#ISA) eto Afrika (Comité Régional Afrique de l’ISA). Tontosa nandritra izany, ny fihaonana teo amin’ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH) sy ny Delegasiona avy amin’ny « International Solar Alliance » (#ISA). Tarigetra iombonana mandritra ny 3 andro hihaonana, ny fitondrana vahaolana vaovao ho fampiroboroboana ny sehatry angovo azo avy amin’ny masoandro eto Madagasikara.
❇️ Mitarika ny Delegasiona avy amin’ny MEH ny Sekretera Jeneraly, Atoa ANDRIANTSOA Thierry, hotronin’ny « Point Focal National ISA » Atoa RASOLOFOHARITSEHENO Hasina. Mandrafitra ny Delegasiona eo anivon’ny ISA kosa, ny Tale Jeneraly, Atoa Ashish KHANNA, sy ny tompon’andraikitry ny Faritra Afrika, ny Dr BARAKAT, niaraka tamin’ny solontena avy amin’ny Governemanta Indiana sy ireo mpanolotsaina avy amin’ny ISA.
✴️ Zava-dehibe no nodinihana omaly dia ny :
▪️ Fampahafantarana ny fandrosoan’ny tetikasan’ny ISA eto Madagasikara, toy ny STAR-C, ny paompy mampiasa herinaratra avy amin’ny masoandro ho an’ny fambolena, ary ny vata na efitrano fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro
▪️ Fiaraha-miasa amin’ny fananganana tambazotra madinika (mini-réseaux solaires) miaraka amin’ny vatoaratra (batterie)
▪️ Fanamafisan’ny Sekretera Jeneralin’ny MEH ny filàna fametrahana laboratoara fanaovana andrana sy fitsapana ao amin’ny STAR-C Madagasikara eny Vontovorona
▪️ Fametrahana ny tsena momba ny herinaratra azo avy amin’ny masoandro eto Madagasikara
▪️ Fikasana hanomana fihaonana iraisan’i Madagasikara, Ghana ary Nigeria, hifanakalozana traikefa momba ny « mini-réseaux solaires », ny fanamafisana fahaiza-manao, ny fanohanana ara-teknika ary ny lafiny famatsiam-bola
▪️ Sehatry ny fizahantany : hanohana ny famatsiana herinaratra avy amin’ny masoandro ho an’ireo toerana sy foibe misahana ny fizahantany eto Madagasikara, ny ISA. Hiara-misalahy amin’izany ny MEH sy ny Ministeran’ny Fizahantany
✅ Naneho ny fahavononany ny ISA, hanamafy ny fiaraha-miasa ankapobeny amin’i Madagasikara. Ohatra ny fampiroboroboana ny paompy mampiasa herinaratra avy amin’ny masoandro ho an’ny fambolena, izay efa nahitam-bokatra goavana tany Inde (20 MW, paompy mihoatra ny 2 tapitrisa) sy Ethiopie (paompy 1 tapitrisa).
➡️ Ny androany 3 Septambra, dia nisy ny fihaonana manokana teo amin’ny Delegasionan’ny MEH sy ny #SEFORALL notarihin’ny Tale Jeneraliny, Rtoa Damilola OGUNBIYI. Izy koa dia solontena maharitra misahana ny angovo eo anivon’ny Firenena Mikambana (#ONU). Lahadinika ny fandraisana anjaran’ny SEFORALL amin’ny fampandrosoana ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra, amin’ny alalan’ny « Mission #M300« . Teo koa ny firesahana ny hikarakarana fihaonana hiompana amin’ny fifanakalozana sy fandraisana ohatra tsara any amin’ny firenena hafa toa an’i Nigeria. Voaresaka koa ny fanamafisana traikefa sy fahaiza-manao ho an’ireo teknisianina amin’ny sehatry ny angovo eto Madagasikara, anisany ny eto anivon’ny MEH. Hifarana rahampitso ity fihaonana andiany faha-7 ataon’ny Komitim-paritry Afrika an’ny ISA ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *