Ilampy, Ambodifotatra Sainte Marie Zoma 11 Jolay 2025
🇲🇬 Fitokanan’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Atoa Andry Rajoelina, 🌞 ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro (centrale hybride solaire)
✴️ Tanjaka : 1 MWc
✅ Miantoka ny 70% amin’ny filàna herinaratra eto Sainte Marie ny atoandro
❇️ Tahiry (économie) amin’ny vidin-tsolika : 324.000L isan-taona na 1 miliara 500 tapitrisa Ar mahery isan-taona
✳️ Tombontsoa ny fanenana ny entona ratsy ho an’ny tontolo iainana, ny fanenana ny vola lany amin’ny fividianana solika ho famokarana ny herinaratra sy ny fikojakojana ireo milina isan-karazany
▶️ Mitantana ny tobim-pamokarana herinaratra : #JIRAMA
🤝🏼 Nanangana ny fotodrafitrasa : ny Henri Fraise Fils & Cie (#HFF) vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (#3P)
⏹️ Famatsiam-bola : Fanjakana Belge amin’ny alalan’ny #FINEXPO
🟩 Tanjona : fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina sy hampitombo avo roa heny ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra hatramin’ny taona 2030

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *