
Fampiroboroboana ny angovo azo havaozina
Anisan’ireo Firenena 3 voasafidy i Madagasikara

Ao anatin’ny fampiroboroboana ireo ezaka eo amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina (transition énergétique), dia Firenena 3 no voasafidy ho fitaratra (pilotes): Botswana, Gambie ary Madagasikara. Izao dia tafiditra ao anaty fanatanterahana ny Fandaharanasa «
#AFRETRAP« , tarihin’ny Vondrona Afrikanina (
#UnionAfricaine). Miara-misalahy ny Vaomiera Afrikanina amin’ny Angovo (
#AFREC).

Hiroso amin’ny fandrafetana ny Tondrozotra nasionaly hamaritra ireo dingana sy fepetra isan-karazany, hialana amin’ny fiankinan-doha sy fampiasana angovo mamoaka entona ratsy ho an’ny tontolo iainana na « gaz à effet de serre » (
#GES). Laharam-pahamehana ny « décarbonation profonde » (
#NDDP), amin’ny alalan’ny firosoana lalina sy haingana amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina.

Ho fanomanana izany, dia nisy, ny 17 Marsa 2025, ny fihaonana teto Ampandrianomby teo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, notarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (
#MEH), Atoa ANDRIANTSOA Thierry, sy ny Delegasiona notarihin’ny Talem-paritry ny « International Electrotechnical Commission » (
#IEC) eto Afrika, Atoa François AHOTI, notronin’ireo solontena avy amin’ny (
#NEC).