Hirosoana ny fanitsiana ny vidin’ny herinaratra eto Madagasikara

Mitana anjara toerana lehibe anaty fampandrosoana ny Firenena ny sehatry ny angovo .

Ao anatin’ny fanajana ny mangarahara sy ho fitsinjovana ny tombotsoan’ny vahoaka Malagasy, dia, misy ny atrikasa izay tanterahina androany 26 Mey 2025 , ary hitohy rahampitso , eto amin’ny » Hôtel Le Louvre » Antaninarenina , mikasika ny firosoana amin’ny fanitsiana ny vidin’ny herinaratra eto Madagasikara.

Nitarika ny atrikasa ny » Cabinet MacroConsulting » sy ny » Cabinet GIDE Loyrette Nouell » , ka nitondra ireo traikefa avy amin’izy ireo ary nizara izany tamin’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny herinaratra.

Ity fanitsiana ity izay miantefa amin’ny herinaratra izay vokarin’ny orinasa
#JIRAMA sy ny herinaratra ho an’ny tontolo ambanivohitra izay sahanin’ny
#ADER .

Nivoitra ho an’ny androany ny famaritana ireo pitsopitsony arahana sy ireo dingana rehetra mila fantarina amin’ny famaritana ny vidin’ny herinaratra, izay mifanaraka amin’ny fampiharana ny lalàna mifehy ny herinaratra eto Madagasikara na » Code de l’électricité » .
#️⃣ Nitarika ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo (
#MEH) ny Sekretera Jeneraly Atoa ANDRIANTSOA Thierry.