Himasoana ny fitantanana ny fanodinana ny fako eto Madagasikara
🤝🏼 Miara-mientana ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH), ny Ministeran’ny Rano sy ny Fidiovana ary ny Fanadiovana (#MEAH), ary ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny fandrosoana Lovainjafy (#MEDD) amin’ny fanodinana ny fako ho vokatra azo ampiasaina amin’ny andavan’andro, ka anisan’izany ny angovo, sy ny fampiasana arina fandrehitra miaro ny tontolo iainana (charbon écologique) .
✅ Nisy androany 10 Avrily 2025, ny valan-dresaka izay natao ho an’ny mpanao gazety ho fanolorana ofisialy ny Tsenaben’ny Fako (Salon des Déchets) izay ho tontosaina ny 17 sy ny 18 Avrily 2025 ho avy izao eto amin’ny « Carlton » Anosy . Izany dia hiompana amin’ny fanentanana sy fampahafantarana ny tombontsoa azo avy amin’ny fanodinana ny fako.
🟩 Tanjona lehibe ny hanamafisana ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana Malagasy amin’ny sehatra tsy miankina (#3P). Eo koa koa ny fanentanana ny rehetra amin’ny fikajiana ny tontolo iainana .
❇️ Manohana ity hetsika ity moa ny #WHF (Welt Hunger Hilfe), ny #MCCI ary ny #GADAEM

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *