
Goavana ny fanamby apetraky ny Fanjakana Malagasy ho fampandrosoana ny seha-pihariana amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina eto Madagasikara. Nitohy androany 11 Jolay 2024 ny atrikasa faha-4 teto amin’ny « Hôtel Panorama » Andrainarivo, miompana amin’ny fifampidinihana sy fanentanana ireo mpisehatra amin’ny fampandrosoana ny sehatra ara-tsakafo, izay nokarakarain’ny « Alliance VAKANA », ka lahadinika ny fomba fahandroana sakafo amin’ny angovo madio.