Angovo azo avaozina eto Boeny
Tontosa anio 13 Marsa 2024, ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny » Foire Régionale de l’Energie Propre » eto Mahajanga. Hetsika tanterahina mandritra ny 3 andro, miompana amin’ny angovo azo avaozina, miaraka amin’ny « Plateforme Région d’Echange en Energie Biomasse » na PREEB.
Tanjona ny fanentanana amin’ny fampiasana angovo madio eo amin’ny fiainana andavanandro. Voalohany amin’izany ny hampihenana ny fanapahana ny hazo sy ny fahapotehan’ny ala noho ny fampiasana arina fandrehitra (charbon de bois) na ny kitay (bois de chauffe). Laharam-pahamehana ny hahatontosa ny vinam-panjakana : « Madagasikara maitso ».
Lohahevitra nosafidiana ny hoe : « Ampiasaiko ny angovo madio, sady mitsitsy mba hitsinjovako ny taranaka fara amam-dimby ». Misy ny valan-dresaka arahina adihevitra, ny fanolorana loka ho an’ireo mpianatra nandray anjara tamin’ny fifaninanana, ary ny varotra fampiratiana.
Maro ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka no mandray anjara ary manohana ny hetsika. Misolo tena ny Ministera mpiahy, ny Talem-paritry ny Angovo sy Akoranafo (DIEH) Boeny, Rtoa VAVIZARA Sylvie.