Fihaonana teo amin’ny MEH sy ny KFW
Dinika sy fifanakalozana eo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny angovo. Io no niompanan’ny fihaonana androany Alarobia 19 Aprily 2023 teto Ampandrianomby. Noraisin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA ny delegasiona avy amin’ny « Kreditanstalt für Wiederaufbau » (Etablissement de crédit pour la reconstruction) na KFW avy any Alemana. Teboka maromaro no voaresaka nandritra ity fitsidihana ara-pomba fanajana ity, ka anisany ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra.
Nandray anjara mazava ho azy Rtoa Talen’ny Fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra (DER/MEH) , ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny ADER sy GIZ. Ireto vahiny kosa dia nahitana an’ Atoa Konrad STERNISKO (Chef de Coopération Allemande), Atoa Werner OTMAR (KFW Chargé de Projet), Rtoa Dorothée HONAUER (KFW Chargé de Portefeuille -Infrastructure), Rtoa Luise Dietrich (KFW Chargé de Portefeuille -Infrastructure). Marihina fa efa nanomboka omaly ny fifanakalozana teto Ampandrianomby teo amin’ny MEH sy ny delegasiona avy amin’ny KFW.