Fanjariana amin’ny angovo
Hanampy antsika ny EELA
✳️ Manao tohivakana ny fanehoan’ireo mpiara-miombon’antoka ny fahavononany hanampy an’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny angovo. Tontosa ny 1 Aogositra 2025, teto amin’ny « Hôtel Carlton » Anosy ny Atrikasa niompana indrindra amin’ny fampahafantarana ny tetikasa #EELA na ny « Energy Efficiency for Sustainable Livelihoods in Africa ».
▶️ Atrikasa hirosoana amin’ny lafiny fanjariana amin’ny angovo na « efficacité énergétique » eto Madagasikara sy ireo Firenena mpikambana amin’ny vondrona #SADC.
➡️ Miditra amin’ny andiany faharoa ity Tetikasa EELA ity, izay tohanan’ny Fanjakana Suédois, ary iaraha-miasa amin’ny Firenena Mikambana amin’ny alalan’ny #ONUDI.
✴️ Tanjona ny fametrahana tondrozotra na « feuille de route », hifampifehezana momba ny fenitra farafahakeliny tokony hananan’ireo fitaovana mandeha amin’ny herinaratra ampiasaina eto amin’ny Faritra Afrika. Fampahafantarana sy fanentanana momba ny fitsitsiana ny fampiasana angovo mba hahomby kokoa, izay anisan’ny vahaolana hahafahana mampitombo ny fisitrahan’ny maro an’isa angovo izany, no sady miaro ny tontolo iainana sy miady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro.
⏹️ Nandray anjara ireo solontenan’ny mpiara-miombon’antoka, ny sehatra tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena ary ireo mpanohana ara-teknika. Nitarika ny delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, ny Minisitra, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *