Fandrafetana ny Politika Nationaly momban’ny fampiroboroboana ny fahandroana sakafo amin’ny alalan’ny angovo madio eto Madagasikara
✅️ Tontosa ny 16 sy 17 Jolay teto amin’ny «Hôtel Coco Lodge » Mahajanga ny Atrikasa fampahafantarana ny Politika Nationaly momba ny fampiroboroboana ny fahandroana sakafo amin’ny alalan’ny angovo madio eto Madagasikara (Lettre de Politique de Développement de la Cuisson Propre à Madagascar). Fiaraha-misalahy eo amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH), ny #PNUD ary ny Kabinetra SAPPHYRE R&D no nahafahana nandrafitra izany.
▶️ Raha ny Faritra Boeny manokana dia mbola vaovao tamin’ireo mpandray anjara ny atao hoe «Cuisson Propre» na fomba fahandroana sakafo amin’ny alalan’ny angovo madio. Nazava tamin’izy ireo kosa izany taorian’ny atrikasa.
⏹️ Hita nandritra izany fa maro tokoa ireo liana amin’ny maha zava-dehibe ny Politika Nasionaly momba ny fahandroana sakafo amin’ny angovo madio. Tsy eto amin’ny Faritra Boeny ihany fa mbola maro ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy no mbola miankina amin’ny fahandroana sakafo amin’ny fampiasana arina fandrehitra sy kitay (Charbon de bois et bois de chauffe), izay manimba ny tontolo iainana sy misy fiantraikany amin’ny fahasalamana indrindra ny vehivavy sy ny ankizy.
➡️ Tafiditra amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (#PGE) sy ho fanatrarana ny #ODD7 ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fahandroana sakafo amin’ny alalan’ny angovo madio. Mifanome tanana amin’ny fanatontosana ny Tetikasa ny Ministera maromaro sy Mpikambana ao amin’ny Comité «Ad’hoc» ahitana ny solontena avy amin’ny #MEH, #MEDD, #MPS, #MICC, #MINAE, #MINSANP, #MEF.
✴️ Hitohy an’ny amin’ny renivohim-paritany hafa ny atrikasa.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *