Fandrafetana ny Politika Nationaly momba ny fampiroboroboana ny fahandroana sakafo amin’ny alalan’ny angovo madio eto Madagasikara
👉 Tontosa ny 30 sy 31 Jolay 2025 teto amin’ny « Zomatel » Fianarantsoa ny Atrikasa fampahafantarana ny Politika Nasionaly momba ny fampiroboroboana ny fahandroana sakafo amin’ny alalan’ny angovo madio eto Madagasikara (Lettre de Politique de Développement de la Cuisson Propre à Madagascar). Fiaraha-misalahy eo amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH), ny #PNUD ary ny Kabinetra SAPPHYRE R&D no nahafahana nandrafitra izany.
✳️ Mbola vitsy ireo mpisehatra eto Matsiatra Ambony kanefa manana tombony manokana ny Faritra amin’ny fananany akora maro izay azo avadika ho angovo madio. Araka izany dia nisy ny fanentanana ireo mpisehatra hiditra ao anatin’ny #MCCI na «Madagascar Clean Cooking Initiative», izay fikambanana ofisialy hivondronan’ireo mpisehatra amin’ny fampiroboroboana ny angovo madio amin’ny fahandroana sakafo eto Madagasikara.
✴️ Nandritra ny atrikasa no nanasongadinana ny maha zava-dehibe ny fivadihana tsikelikely mankany amin’ny fahandroana sakafo amin’ny alalan’ny angovo madio satria dia mahasehaka sehatra maro, toy ny ara-tontolo iainana, ara-pahasalamana, ara- toekarena, ary hahazo tombony indrindra amin’ny fampiasana izany ny vehivavy sy ny ankizy.
✅️ Taorian’ny fampahafantarana ny Politika Nasionaly no nanolorana ireo paikady entina manatanteraka azy, ka nandray anjara mavitrika tamin’izany ireo mpisehatra sy ireo rehetra tonga nanatrika ny atrikasa ary samy nanome sosokevitra hoentina hanatsarana izany.
⏹️ Nisongadina nandritra ity atrikasa ity ny fananan’ny Faritra Matsiatra Ambony ireo akora fototra rehetra entina hanamboarana angovo madio amin’ny fahandroana sakafo.
▶️ Tafiditra amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (#PGE) sy ho fanatrarana ny #ODD7 ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fahandroana sakafo amin’ny alalan’ny angovo madio. Mifanome tanana amin’ny fanatontosana ny Tetikasa ny Ministera maromaro sy mpikambana ao amin’ny « Comité Ad’hoc » ahitana ny solontena avy amin’ny #MEH, #MEDD, #MPS, #MICC, #MINAE, #MINSANP, #MEF.
➡️ Ny Faritra Atsimo Andrefana no hamarana ity fampahafantarana ity amin’ny herinandro ho avy io.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *