
Tanterahina manomboka androany 18 Marsa 2024, eny amin’ny Radisson Blu Ambodivona, ny fihaonana eo amin’ny tompon’andraikitry ny tetikasa PRIRTEM sy ny eto anivon’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), ary ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD), miaraka amin’ireo mpikambana anaty Vondrona Mpanatanteraka ny Tetikasa (CEP).

Fihaonana izay haharitra 3 andro. Tanjona amin’izany ny hametrahana paikady sy fivoarana ho fampandrosoana ny tetikasa.