📦FANAMORANA NY FAMOAHANA FITAOVANA FAMATSIANA HERINARATRA ENY AMBANIVOHITRA⚡

👉Anisan’ny andraikitra sahanin’ny ADER ny fanamorana sy fanaraha-maso ny famoahana ireo entana sy fitaovana ilaina amin’ny famatsiana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra, eny amin’ny fadin-tseranana sy seranan-tsambo. 🚢

Anisan’ireo fitaovana maro ilaina tonga farany, ny fitaovana fametrahana ny fotodrafitrasa famokarana herinaratra 🪫 avy amin’ny masoandro ☀️ izay hatao ao Ambalanirana, Mahasolo, any amin’ny faritra Bongolava sy ao Mahavelona any amin’ny faritra Itasy, izay hamatsy mponina eo amin’ny 28 000 isa eo.

✳️Fanomezana angovo madio sy maharitra ho an’ny mponina ambanivohitra hatrany no tanjona. ✊

#ADER #MEH #AfricaGreenTec #electrificationrurale #energierenouvelable #energiepourtous

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *