FANAMORANA NY FAMOAHANA FITAOVANA FAMATSIANA HERINARATRA ENY AMBANIVOHITRA⚡
👉Anisan’ny andraikitra sahanin’ny ADER ny fanamorana sy fanaraha-maso ny famoahana ireo entana sy fitaovana ilaina amin’ny famatsiana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra, eny amin’ny fadin-tseranana sy seranan-tsambo. 🚢
Anisan’ireo fitaovana maro ilaina tonga farany, ny fitaovana fametrahana ny fotodrafitrasa fanitarana ny famokarana herinaratra 🪫 avy amin’ny masoandro ☀️ hatao eny andohan’Ilakaka, any amin’ny faritra Atsimo Andrefana.
👉Ankehitriny efa mamokatra herinaratra eo amin’ny tanjaka 1,5 MW eo ny tobim-pamokarana eny an-toerana ary ho ampiana 1,5 MW izany amin’ny alalan’ireto fitaovana tonga ireto nohon’ny fitomboan’ny mponina sy ny fandrosoan’ny tanana.
✳️Fanomezana angovo madio sy maharitra ho an’ny mponina ambanivohitra hatrany no tanjona. ✊

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *